Psalms 20

Vavaka ho an’ ny mpanjaka raha mivoaka hanafika

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba. 3Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona. 4Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.] 5Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. 6Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra. 7Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana. 8Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. 9Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, 10Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy
Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka.
amin’ izay andro iantsoanay Azy.
Copyright information for Mg1865